# Fa izaho kosa Ity andianteny ity dia mampiseho fa ny mpanoratra miova amin'ny firesahana momba ny olona ratsy fanahy ho miresaka momba ny tenany. # handeha amin'ny fahitsiana aho Ny "handeha" dia sarinteny ho an'ny fitondrantena. DH: "hitondra tena amin'ny fahitsiana aho" # Mijoro ny tongotro Eto ny "tongotra" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "Mijoro aho" # tany marina Ireo mety ho hevitr'izay asehon'ny "tany marina" dia 1) toerana azo antoka na 2) fitondrantena marina # ao amin'ireo fiangonana no hiderako an'i Yaveh "rehefa miangona miaraka amin'ny vahoakan'Israely aho dia hidera Anao"