# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Mamelombelona ny aiko Izy Ity midika fa Andriamanitra manao ny olona izay tsy manan-kery sy reraka ho mahery ary mitsahatra indray. # mitarika ahy any amin'ny lala-marina Izy Ny fampisehoana olona ny fomba fiaina araka an'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe mpiandry ondry mampiseho ho an'ny ondry ny lala-marina hizorana. DH: "Mampiseho ahy ny fomba fiaina marina Izy" # noho ny amin'ny anarany Ny andianteny hoe "ny anarany" eto dia manondro ny lazany. DH: "ho an'ny lazany" na "mba hanomezan'ny olona voninahitra Azy"