# Avoty ny fanahiko Ny "fanahiko" eto dia midika ilay olona manontolo. DH: "Avoty aho" # ny sabatra Ny sabatra dia fomba itambarana hanondroana fahavalo maherisetra. DH: "ireo izay mitady hamono ahy" na "ireo fahavaloko" # ny hany aiko "ny aiko sarobidy" na "ny hany aina ananako" # rangotry ny amboadia ... vavan'ny liona ... tandroky ny ombidia Ny mpanoratra miresaka momba ireo fahavalony toy ny hoe alika, liona, sy ombidia mba hanamafisana fa mampidi-doza ireo fahavalony. Ary koa, ny rangotra, vava, ary tandroka midika ireo biby ho manontolo ao amin'ny fibangoan-teny. Ny mpanoratra manamafy ireo singa amin'ny biby ireo satria isan'ny singa amin'ny biby izay ampiasainy hamonoana olona ireo. # amboadia ... ombidia Ny teny hoe "dia" eto dia midika fa mbola tsy nisy afaka nisambotra sy namolaka ilay biby.