# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Ho an'ny mpiventy hira "Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana" # Salamo nataon'i Davida Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida. # amin'ny herinao, Yaveh o Izany dia midika fa ny herin'i Yaveh no efa nanome ny mpanjaka handavo ireo fahavalony. DH: "satria Ianao, Yaveh o, no efa nanao azy ho mahery ampy handavo ireo fahavalony" # Akory ny halehiben'ny fifaliany "Mifaly loatra izy" # amin'ny famonjena nomenao Izany midika fa Andriamanitra namonjy ny mpanjaka tamin'ny fahavalony. Ny anarana "famonjena" dia azo ambara ho matoanteny. DH: "satria Ianao namonjy azy tamin'ny fahavalony" # ny fanirian'ny fony "ny fony maniry>" Ny "fo" eto dia midika ho ilay olona manontolo. DH: "ny faniriany" na "izay zavatra niriany" # tsy nolavinao "tsy nandà azy Ianao." Izany dia azo ambara amin'ny fomba mihiba. DH: "Ianao efa nanome azy" # ny fangatahan'ny molony Ny "molotra" eto dia midika ilay olona manontolo. DH: "ny fangatahany" na "izay nangatahany taminao" # Sela Ity dia mety ho fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 3:1