# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity Salamo ity dia manomvboka amin'ny vondron'olona miteny amin'ny mpanjakan'Israely. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Ho an'ny mpiventy hira "Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana" # Salamo nataon'i Davida Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida. # Hamonjy anao Ny teny hoe "ianao" eto amin'ity Salamo ity dia maniondro ny mpanjaka. # androm-pahorianao Ny "andro" eto dia midika fotoana ela tokoa. DH: "fotoam-pahoriako" # ny anaran'Andriamanitr'i Jakoba Ny "anarana" eto dia midika an'Andriamanitra tenany. DH: "ny Andriamanitra" # Andriamanitr'i Jakoba Izany dia manondro an'i Jakoba razamben'izy ireo, izay nanompio an'i Yaveh. # handefa fanampiana avy amin'ny fitoerana masina Andriamanitra mamonjy avy amin'ny fitoerany masina dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra no nandefa famonjena. DH: "hamonjy anao anie Yaveh avy amin'ny fitoerany masina" # fitoerana masina ... Ziona Ireo roa ireo dia samy manondro ny tempolin'Andriamanitra ao Jerosalema.