# Nampiamboho ny vozon'ireo fahavaloko ho ahy Ianao Izany dia maneho fandresena eo amin'ireo fahavalon'ny olona iray. DH: "nanome ny fandresena eo amin'ireo fahavaloko" # noringaniko izay nankahala ahy "nandavo izay nankahala ahy aho" na "nopotehiko tanteraka izay nakahala ahy" # fa tsy novaliany Izany dia midika fa tsy nanome famonjena mihitsy Yaveh. DH: "fa tsy novonjeny" # Nopotehiko ho manify toy ny vovoka anoloan'ny rivotra izy ireo Ireo fahavalon'ny mpanao salamo dia ampitahaina amin'ny vovoka hampisehoana fa lavo tanteraka izy ireo. # Natsipitsipiko toy ny fotaka eny an-dalana izy ireo Ireo fahavalon'ny mpanao salamo dia ampitahaina amin'ny fotaka eny an-dalana mba hampisehoana fa lavo tanteraka izy ireo.