# ny ampingan'ny famonjenao Ny mpanoratra eto dia miteny ny fiarovan'Andriamanitra toy ny hoe ampinga izany. Ny anarana "famonjena" dia azo ambara amin'ny matoateny "mamonjy." DH: "ny famonjenao ka namonjy ahy" # ny tananao ankavanana ... ny fankasitrahanao Ireo fiteny roa ireo dia sarinteny maneho an'Andriamanitra tenany. # toerana mikodàna ho an'ny tongotro eo ambaniko Ny mpanoratra miteny ny fandriampahalemana izay novatsian'Andriamanitra toy ny hoe toerana mikodàna ho azy mba hitsanganana. DH: "toerana azo antoka ho ahy" # tsy hampibolisatra ny tongotro Ny "tongotro" eto manondro ilay olona. Ny mpanoratra manondro ny fandriampahaleman'Andriamanitra toy ny hoe izy nitsangana teo amin'ny toerana izay tsy mba hampibolisatra na handavo azy. DH: "tsy nampibolisatra ahy" na "hahatsara ahy"