# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Vavaka nataon'i Davida "Ity no vavaka izay nosoratan'i Davida" # Atongilano amin'ny fivavaky ny molotro tsy misy fitaka ny sofinao Ny fiteny "atongilano ny sofinao" dia manondro fihainoana, ary ny teny hoe "molotra" manondro ireo teny ambaran'ny olona iray. DH: "Mihainoa ny fivavako izay tsy mipololotra avy amin'ny molotra mandainga" # Aoka ho avy eo anatrehanao ny fanamarinana ahy Ny "fanatrehana" eto dia manondro ny tenan'i Yaveh. DH: "Ambarao ho tsy manan-tsiny aho" # avelao ny masonao hijery ny rariny! "Ny masonao" eto dia manondro izay fantatr'i Yaveh fa marina. DH: "fantatrao fa milaza ny marina aho!"