# an-tranonao Izany dia manondro ny tranon'Andriamanitra. DH: "ny tempolinao" # tariho amin'ny fahamarinanao aho Davida dia milaza ny fahamarinana ho toy ny lalana ary ny fampianarana tahaka ny fitarihana. Ny andianteny hoe "ny fahamarinanao" dia midika fa Andriamanitra no marina DH: "Ampianaro ahy ny hanao ny marina tahaka ny ataonao" # ampahitsio eo anoloako ny lalanao Davida miteny ny fahamarinana ho tahak ny lalana. Ny lalana mahitsy dia mora hita sy mora andehanana. DH: "asehoy ahy mazava ny fomba hahavelomana amin'ny lala-marina" (UDB) na "ataovy mora ho ahy izany mba hanaovako izay marina"