# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Davida mihira ity ampahany ity toa azy miresaka amin'ireo fahavalony. # Ry olona, mandra-pahoviana ianareo no hanova ny voninahitro ho fahafaham-baraka? Davida mampiasa ity fanontaniana ity hanamavoina ireo fahavalony. DH: "Ianareo ry olona izay mamadika hatrany hatrany ny voninahitro ho henatra!" # ny voninahitro ho fahafaham-baraka Ny fanalam-baraka azy raha toa ka tokony hanome voninahitra azy dia lazaina ho fanaovana ny voninahiny hiova henatra. DH: "mitondra henatra ho ahy ianareo raha tokony hanome voninahitra ahy" # Mandra-pahoviana ianareo no hitia izay zava-poana sy mitady lainga? David mampiasa ity fanontaniana ity hanamavoina ireo fahavalony. DH: "Ianareo izay manohy mitia zavatra izay tsy misy dikany sy mitady lainga fatratra." # hitia izay zava-poana ... mitady lainga Ireo andianteny reo ireo dia tena mitovy dika. Zava-poana ny lainga. DH: "hitia lainga zava-poana" # Yaveh manavaka ny masina ho an'ny tenany "Yaveh mifidy olo-masina ho an'ny tenany"