# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Yaveh manohy miteny amin'ny mpanjakan'Israely vaovao. # ho lovanao ireo firenena ... ho fanananao ireo faritra lavitra indrindran'ny tany Milaza hevitra tena mitovy ireo andian-teny ireo. # ireo faritra lavitra indrindran'ny tany "ireo tany izay lavitra indrindra" # Hovakinao amin'ny tehim-by, tahaka ny siny ireo, hamotipotika ireo ianao Milaza hevitra tena mitovy ireo andian-teny ireo. # Hovakinao amin'ny tehim-by Ny fandresena ireo firenena dia lazaina ihany koa ho famotehina azy ireo, ary ny fahefany dia lazaina ho tahaka ny tehina vy. DH: "Handresy azy ireo tanteraka ianao amin'ny alalan'ny fahefanao" # hamotipotika azy ireo ianao Ny famotehana ireo firenena dia lazaina ho tahaka ny hoe azo vakivakiana toy ny siny tany izy ireo. DH: "Hamotika azy ireo tanteraka toy ny siny tany ianao" # siny tanimanga Ny mpanao vilany dia olona mpanao vilany tany sy siny. Izany dia mora vaky sy azo vakiana mora foana. DH: "siny tanimanga" na "vilany tanimanga"