# manandratra ny masony ... fisandratan'ny hodi-masony Ireo teny roa ireo dia ilazana ny olona izay mihevi-tena ho tsara kokoa noho ny hafa. Ny masony dia mampiseho fa mirehareha izy ireo, ary ny fomba fijeriny ny hafa dia mampiseho fa mihevi-tena ho tsara noho ireo olona hafa ireo izy. # Misy taranaka izay sabatra ny nifiny, ary ny vazany tahaka ny antsy, mba handrapahany ny mahantra ... ary ny ory Ny vahoakan'ny taranaka izay milaza zavatra tena mandratra dia resahina toy ny hoe bibidia misy nify sy vazana vita amin'ny sabatra sy antsy, ary hanin'izy ireo ny mahatra sy ny ory. # valanoranony ny taolana eo amin'ny tarehy izay hanirian'ny nify