# nandatsaka ràn'olona Eto ny "rà" dia ilazana ny ain'ny olona. Ny hoe "mandatsa-drà" dia midika famonoana olona. DH: "namono olona" # mpandositra olona izay nitsoaka mba hialana amin'ny fisamborana # mandra-pahafatiny Mandritra ny andro tokom-piainany no dikan'izany. DH: "mandritra ny andro tokom-piainany" # Na iza na iza mandeha amin'ny fahitsiana dia ho arovana Io dia azo adika hoe DH: "Ho arovan'Andriamanitra izay rehetra mandeha amin'ny fahitsiana" # Na iza na iza "Izay rehetra" # mandeha amin'ny fahitsiana Ilazana ny olona miaina fiainana feno fahitsiana izany. Ny anarana hoe "fahitsiana" dia azo atao amin'ny endrika tambinteny. DH: "mandeha amin-kitsim-po" na "miaina amin-kitsim-po" # ilay iray izay mandeha amin'ny lala-meloka Ny olona tsy mahitsy fo dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lala-meloka na miolakolaka. DH: "izay tsy miaina amin'ny hitsim-po" # ho lavo tampoka Izay hanjo ny olona tsy mahitsy fo dia resahina toy ny hoe mianjera tampoka izy. DH: "ho rava tampoka" na "ho faty tampoka"