# rivotra avaratra Tany Israely, ny rivotra avy any avaratra matetika dia nitondra orana. Afaka manampy karazan-drivotra izay misy fiantraikany mitovy amin'izany ny mpandika teny, ohatra hoe: "rivotra mangatsiaka" # miteny ireo tsiambaratelo Ny dikan-teny sasany dia manao hoe "ny olona izay tezitra." # hamadika ny endrika ho tezitra Ny endrika dia ilazana ny olona. DH: "mahatezitra ny olona hafa" # zoron'ny tafon-trano Ny trano tamin'izany andro izany dia nitapelaka ny tafony. Ny Israelita taloha dia nandany fotoana betsaka teny an-tafon-tranony, izay matetika dia nangatsiatsiaka noho ny tao an-trano, ary indraindray ny olona dia nanorina fialofana lehibe ampy hatorian'ny olona teo amin'ny zoron'ny tafo. # vady mpiady lava vady izay miady na mitaraina matetika