# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ireto andininy ireto no manomboka ireo "ohabolana telopolo" # Aza mandroba ... na manosihosy Raha manana fomba hampisehoana ny fomba hitenenan'ny olona mafy ny hafa ny fiteninao, izay samihafa amin'ny fitsipika amin'ny ankapobeny izay tokony ho ankatoavin'ny olona, dia tokony ampiasainao eto izany. # ny malahelo Ity mpamaritra anarana ity dia azo adika amin'ny andian-teny misy anarana. DH: "izay olona malahelo rehetra" na "olona malahelo" # manosihosy manorotoro ho vovoka. Sarinteny ilazana ny "fitondrana amin'ny tsy rariny" io. # ny ory Ity mpamaritra anarana ity dia azo adika amin'ny andian-teny misy anarana. DH: "ny olona ory" na "ny olona rehetra izay tsy manana izay ilainy mba hivelomana" # eo am-bavahady Ny toerana izay nividianan'ny olona sy nivarotany zavatra ary nandaminany ny ady amin'ny fitsarana dia ampiasaina ho sarinteny ilazana ny raharaha sy ny fanao araka ny fitsarana. DH: "eo amin'ny fitsarana" # fa Yaveh no hisolo vava azy ireo Ity dia sarinteny momba ny mpisolovava iray izay miaro ny ory eo anatrehan'ny mpitsara. DH: "Yaveh no hiaro ny ory amin'ireo izay mampahory azy" na "Ho hitan'i Yaveh fa hahazo rariny ny ory" # Izy handroba ny ain'ireo izay nandroba azy ireo Tsy mpangalatra akory Yaveh, fa tahaka ny mpangalatra dia haka ny ain'ireo izay tsy misafidy izany Izy. DH: "ho potehiny ireo izay mampahory ny olo-mahantra"