# zoron'ny tafo Nitapelaka ny tafo tamin'izany andro izany. Teny an-tafon-trano no nandanian'ny Israelita fahiny ny fotoany, izay matetika mangatsiatsiaka mihoatra ny ao an-trano, ary indraindray dia nanorina fialofana lehibe ampy hatorian'ny olona teo an-joron'ny tafo ny olona. # mpila ady olona izay miady na mitaraina matetika # Ny hanoanan'ny ratsy fanahy dia maniry fatratra ny ratsy Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe olona izay afaka maniry zavatra iray ny hanoanan'ny olona, dia ilay faniriana hanina sy fisotro ara-batana. Ny teny hoe "ratsy fanahy" dia mpamaritra anarana izay manondro ny olon-dratsy; ny teny hoe "ratsy" dia ilazana ny asa ratsy. DH: "Maniry ny hanao asa ratsy tahaka ny faniriany hihinana sy hisotro ny olon-dratsy" # maniry fatratra "maniry mafy" # tsy mahita fahatsarana eo amin'ny masony Ny tany anarana hoe "fahatsarana' dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. Ny fanalefahan-kevitra hoe "tsy mahita fahatsarana" dia azo adika amin'ny endrika tsy misy fanoherana. Ny andian-teny hoe "ny masony" dia ilazana ny olona. DH: "fa tsy tsara fanahy izy" na "fa tena ratsy toetra izy"