# Fandrika Ny zavatra mampidi-doza dia resahina toy ny hoe fandrika. DH: "Mampidi-doza" # ny miteny an-kamehana milaza zavatra faingana sady tsy misy fiheverana tsara ny amin'izay mety ho dikany # nanao ny voadiny Nanao voady tamin'ny fanambarana fa masina ny zavatra iray ka nanokana izany ho an'i Yaveh ilay olona. DH: "nanokana izany ho an'i Yaveh" na "nanambara izany ho masina" # manivana ny ratsy fanahy Ny mpanjaka manavaka ny ratsy fanahy dia resahina toy ny hoe voa izay sivaniny. DH: "manavaka ny ratsy fanahy" # ny ratsy fanahy Manondro ireo ratsy fanahy io. DH: "ireo izay ratsy fanahy" na "ny olona ratsy fanahy" # mamadika ny kodiaran'ny fikororohana eo amin'izy ireo Ny mpanjaka manafay ny ratsy fanahy dia resahina toy ny hoe mitondra kodiarana fikororohana eo amin'izy ireo. DH: "ary manafay mafy azy ireo" # kodiran'ny fikororohana "fiara fikororohana." Fitaovana hitotoana vary ary manampy amin'ny fanavahana izany amin'ny akofa io.