# Izay miraviravy amin'ny asany ihany koa dia rahalahin'izay mamotika indrindra Ny fitovian'ny olona miraviravy amin'ny olona izay mamotika dia resahina toy ny hoe tena mifandray tokoa ireo. DH: "dia mifandray akaiky amin'ny" na "tena mitovy amin'ny" # miraviravy "kamo" na "tsy miraharaha" # izay mamotika indrindra "izay mamotika ny zava-drehetra" (UDB) na "izay mpandravarava hatrany" # Tilikambo mahery ny anaran'i Yaveh Ny fiarovan'i Yaveh ny olony dia resahina toy ny hoe tilikambo mahery izay afaka ialofan'izy ireo. DH: "Miaro tahaka ny tilikambo mahery Yaveh" na "Miaro ny olony tahaka ny tilikambo mahery Yaveh" # ny anaran'i Yaveh Eto dia amin'ny anarany no iresahana an'i Yaveh. DH: "Yaveh" # marina Manondro ireo olo-marina io. DH: "ireo izay marina" na "olo-marina" # voaro Ny olona mitady fiarovana avy amin'i Yaveh sy ny fiarovan'i Yaveh azy ireo dia resahina toy ny hoe tilikambo mahery izay ihazakazahan'izy ireo hahazoana fiarovana Izy. DH: "mihazakazaka mankeo aminy ka voaaro" na "mitady azy ary voaaro izy ireo"