# Fanafody tsara ny fo miramirana Resahina toy ny hoe fanafody ny fo miramirana satria mahatonga anao hahatsapa ho metimety. DH: "Ny fo miramirana dia fanafody izay mahatonga anao hahatsiaro ho metimety" # fo miramirana Ny "fo" dia maneho ny fahatsapan'ny olona iray, ny toetrany ary ny faharisihany. DH: "Ny fahamiranana" # ny fanahy ketraka Eto ny teny hoe "fanahy" dia maneho ny fahatsapan'ny olona iray sy ny toetoetry ny fihetseham-pony. Ny fanahy torotoro dia maneho toe-po malahelo. DH: "famoizam-po" # mahamaina ny taolana Ny taolan'ny olona dia entina ilazana ny fahasalamany ara-batana sy ny fahatanjahany. Raha mihamaina ny taolan'ny olona iray dia midika izany fa tena marary ary tsy salama tokoa izy. DH: "tsy mahasalama sy mahosa ny olona"