# Avy amin'i Yaveh ny fandanjana marina Mitaky ny fahamarinana sy ny rariny Yaveh rehefa manao raharaha. Ny olona tsy marina dia nampiasa mizana mavesatra na maivana kokoa teo amin'ny fandanjany mba hahazoana bebe kokoa rehefa mividy na mivarotra. # ny lanja rehetra ao amin'ny kitapo dia asany avokoa Tao anatin'ny kitapony no nitondran'ny mpivarotra ny fandanjany. Ireo mety ho heviny dia 1) Yaveh no namaritra hoe toy ny ahoana no tokony ho lanjan'ny fandanjana rehetra na 2) Mihevitra ny lanja rehetra izay ampiasain'ny mpivarotra i Yaveh. # dia tokony ho zavatra hatao tsinontsinona izany Io dia azo atao hoe DH: "zavatra amavoin'ny olona izany" na "zavatra amavoin'i Yaveh izany" # satria ny seza fiandrianana dia miorina amin'ny fanaovana ny marina Eto ny teny hoe "seza fiandrianana" dia maneho ny fanapahan'ny mpanjaka. Io dia azo atao hoe DH: "fa ny mpanjaka no mametraka ny fanjakany amin'ny fanaovana ny marina"