# Ny olona dia tsy ho tafatombina amin'ny faharatsiana Io dia azo atao hoe DH: "Tsy hisy hilamina sy handry fahalemana amin'ny fanaovan-dratsy" # tsy afaka hofongorana Ny hoe "hofongorana" dia entina ilazana hoe hongotana avy amin'ny tany tahaka ny zava-maniry na hazo. DH: "dia tsy mihozongozona tahaka ny hazo lalim-paka" # Ny vady mendrika dia satro-boninahitry ny vadiny Ny satro-boninahitra dia maneho ny haja lehibe indrindra mety ho azon'ny olona. DH: "Ny vady tsara dia mariky ny voninahitra lehibe ho an'ny lehilahy." # izay mitondra henatra dia toy ny aretina izay maha-lo ny taolany Ny aretina izay maha-lo ny taolana dia maneho ny fahasimban'ny fiainan'ny olona iray. DH: "ny asa mahamenatra ataon'ny vady dia mamotika ny laza sy ny fifalian'ny lahy"