# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy ny hafatry ny Fahendrena ireto andininy ireo. # Avia ... hano ... sotroy ... Afoizo ... miveloma ... mandehana Ireo fandidiana rehetra ireo dia manondro olona maro; miresaka amin'olona maro amin'ny fotoana iray ny Fahendrena. # ny divay noharoiko Tany amin'Israely fahiny, ny olona matetika dia nampifangaro divay tamin'ny rano. DH: "nikarakara ny divainy tamin'ny fampiharoana izany tamin'ny rano" # Ilaozy ireo fihetsikao bado Eto ireo fihetsika bado dia resahina toy ny hoe toerana izay afaka hitoeran'ny olona. DH: "Atsaharo ireo fihetsika badonareo'' # fihetsikao bado "fihetsika tsy misy traikefa, tsy matotra" # lalan'ny fahazavan-tsaina Eto ny dingan'ny fahatakarana ny fahendrena dia resahina toy ny hoe lalana izay azon'ny olona arahina. DH: "ny fomba fiainana izay hananan'ny olona hendry"