# Koa Io dia natao mba hampifantoka ny sain'ireo zanak'ilay miteny amin'ny tsoa-kevitra avy amin'ity lesona ity. # Aoka tsy hivily amin'ireo lalany anie ny fonareo Eto ny "lalana" dia midika hoe lalana izy safidian'ny olona iray mba handehanana. Maneho ny toetran'ilay olona, ireo zavatra nanapahany hevitra mba hatao eo amin'ny fiainana izany. DH: "Alaviro amin'ny lalan'ny vehivavy janga ny fonao" na "Aza avela hitady hanao ireo zavatra ataon'ny vehivavy janga ny fonao" # ny fonareo Eto ny "fo" dia maneho izay irian'ny olona iray. DH: "ianareo" # aza mivily amin'ireo lalan-disony Mitovy dika amin'ilay fehezanteny teo alohany ihany io. Mampafonja ilay fampitandremana voalohany io. DH: "aza mandao ny lala-marina mba handeha amin'ny lalany"