# ny hitsiny "rariny" # ny lalana tsara rehetra Ny fitondran-tena izay hendry ary mahafaly an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe lalana tsara izany. DH: "fomba fiainana izay mahafaly an'Andriamanitra" # hiditra ao am-ponao ny fahendrena Eto ny "fo" dia entina ilazana ny ao anatin'ny olona iray. Ny olona lasa hendry dia resahina toy ny hoe niditra tao am-pon'ilay olona ny fahendrena. DH: "hahazo fahendrena betsaka ianao" na "hahay ny fomba hahendry marina ianao" # hahafinaritra ny fanahinao Eto ny "fanahy" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "hiahafinaritra anao" na "hahafaly anao"