# aza mandeha midina amin'izany lalana izany miaraka amin'izy ireo ; aza avela hikasika izay halehany ny tongotrao Ny fialana amin'ny fitondran-tena tahaka ny ataon'ireo mpanota dia resahina toy ny hoe tokony miala amin'ny fandehanana na ny fikasihana ny lalana izay alehan'ny mpanota mihitsy ilay zanaka. DH: "aza mandeha miaraka amin'ny mpanota na manao izay ataony" # mihazakazaka ho amin'ny ratsy ny tongony Ireo mpanota manana fahalinana fatratra amin'ny fanaovan-dratsy dia resahina toy ny hoe miazakazaka makany amin'ny ratsy izy ireo. DH: "maniry fatratra ny hanao zavatra ratsy izy ireo" # mihazakazaka ... ny tongony Eto ny "tongotra" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "mihazakazaka izy ireo" # handatsa-drà Eto ny "rà dia maneho ny ain'olona iray. Ny "mandatsa-drà" dia midika hoe mamono olona iray. # Fa tsy misy dikany ny hamelarana ... mitazana Ity no fanombohan'ny fampitahana izay mifarana ao amin'ny 1:8. Mampitaha ny fahendren'ny vorona izay miala amin'ny fandrika izay hitany amin'ny fahadalan'ny mpanota izay voan'ny fandrika ataony an'ny tenany izany.