# Tamin'ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana aho Paoly dia milaza fa dia tena mazoto mihintsy izy nampijaly ireo mpanara-dia an'i Kristy. "Izaho dia tena nazoto nampijaly ireo mpino Kristiana" # Raha ny amin'ny fahamarinana ambanin'ny lalàna "Izaho dia nankatoa ny lalàna tanteraka" # na inona na inona tombony ho ahy, Paoly eto dia miresaka ny dera azony tamin'ny maha-Fariseo mazoto azy. Izy dia miresaka ireo dera ireo toy ny hoe tombontsoan'ny mpandraharaha ny fahitany azy taloha. DH: "Zavatra izay nideran'ireo Jiosy hafa azy" # noraisiko ho toy ny fatiantoka ireny Paoly dia miresaka izany fiderana izany tahaka ny hoe faty antoka fa tsy tombony. Raha amin'ny fomba fiteny hafa dia hoe: Paoly dia milaza fa ny zava-drehetra ataon'ny fiangonany dia tsy misy vidiny eo anatrehan'i Kristy