# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy ny fampitàna amin'i Obadia ny hafany i Yaveh. # tafatsoaka "tafatsoaka ny famaizan'Yaveh." Ireo dia olona mbola velona taorian'ny fanasazian'Yaveh. # ary izany Ny teny hoe "izany" dia manondro ny "tendrombohitra Ziona." # taranak'i Jakoba ... Josefa dia ho lelan'afo Noharin'Yaveh amin'ny afo ny taranak'i Jakoba sy Josefa satria izy ireo dia hamotika an'i Esao tahaka ny afo izay mandrehitra haingana ny mololo. # Mololo "mololo" na "akofa". Ampahany maina sisa tavela rehefa masaka avy jijaina ny voa. # ary izy ireo Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ny taranak'i Jakoba sy ny taranak'i Josefa. # Tsy hisy ho velona ny taranak'i Esao, "Tsy hisy na iray amin'ny taranak'i Esao ho velona."