# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy ny fampitàna amin'i Obadia ny hafany ho an'i Edoma i Yaveh. # aza mifaly "aza mifaly amin'ny" na "aza finaritra ny amin'ny" # rahalahinao Fomba iray hilazana ny zanak’Israely izy io satria mpirahalahy i Jakoba sy i Esao. # andro DH: "andro famaizana" na "fotoana famaizana." # fahavoazana "loza" na "korontana" # amin'ny andro handringanana azy "amin'ny andro handringanan'ny fahavalony azy" # amin'ny andro hahitany loza "noho ny fotoana nijaliany" # fahavoazana ... loza ... faharavana Ireo dia dikan-teny samy hafa ny teny mitovy iray. Tokony hampiasa teny iray ny mpandika teny entina handikana ireo teny telo rehetra ireo. # amin'ny fahoriany "noho ny zava-dratsy nanjo azy ireo" # aza mandroba ny fananan'izy ireo "aza maka ny harenany" na "aza mangalatra ny harenany" # sampanan-dalana toerana izay hifanenan'ny lalana roa # mba handringana ireo mpandositra "mba hamono ny zanak'Israely izay mitady handositra" na "mba hisambotra ireo izay mitady handositra" # aza manome ny sisa tsy matiny "aza misambotra ireo izay mbola velona ary manome azy ireo amin'ny fahavalony"