# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy miresaka amin'i Mosesy, Eleazara, ary ireo mpitarika hafa ny olona avy amin'i Robena sy Gada. # ireo tany izay notafihan'i Yaveh teo anoloan'ny fivondronan'Israely Ny famelan'i Yaveh an'ireo Israelita mba handresy ny vahoaka izay nonina tao amin'ny tany dia resahina toy ny hoe nandeha teo anoloan'ireo Israelita i Yaveh ka nanafika ny olona. DH: "ireo tany izay namelan'i Yaveh anay mba handresy ny olona izay mipetraka ao" # Izahay, mpanomponao Ny olona avy amin'ireo fokon'i Robena sy Gada dia manondro ny tenan'izy ireo tahaka izany mba hanehoana fanajana ny olona iray izay manana fahefana ambony kokoa. # Raha mahita sitraka eo imasonao izahay Ny andianteny hoe "eo imasonao" dia sarinteny hilazana ireo eritreritra sy hevitra. DH: "Raha mahita sitraka aminao izahay" na "Raha ankasitrahinao izahay" # aoka mba homena anay DH: "omeo anay io tany io" # Aza atao miampita an'i Jordana izahay Te hahazo ny tany atsinanan'ny Reniranon'i Jordana izy ireo raha tokony hiampita ho any andrefana ka haka tany any. DH: "Aza atao miampita an'i Jordana mba haka ny tany amin'iny lafiny iny izahay"