# izay rehetra naloaky ny molony Eto izay nolazain'ilay vehivavy dia tondroina toy ny hoe zavatra izay mivoaka avy amin'ny molony izany. DH: "izay rehetra lazainy" # tsy hanan-kery Io dia fomba fiteny. Midika izany fa tsy izy intsony ireo voadiny ary tsy ho takiana mba hanatanteraka ireo izy. Jereo ny nandikanao ny andianteny mitovy amin'izany ao amin'ny 30:6. DH: "tsy voatery hanatanteraka izy" # Hanafaka azy Yaveh Eto i Mosesy dia miresaka momba ny famelan'i Yaveh ilay vehivavy tamin'ny tsy nanatanterahany ny voadiny toy ny hoe namela azy tamin'ny zavatra izay namatotra ny tenany izy. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "hamela azy i Yaveh" na "hamela azy tamin'ny tsy nanatanterahany ny voadiny i Yaveh"