# ny fampanantenana manetriketrika nataony izay namatorany ny tenany Eto i Mosesy dia miresaka ny vehivavy mampanantena ny hanatanteraka ny fampanantenany toy ny hoe zavatra izay mamatotra ny tenany ny fampanantenany. DH: "ny fampanantenany manetriketrika izay nataony mba hotanterahiny" # raha manapaka azy izy Ny fanapahan'ny rainy ny fampanantenan'ilay vehivavy dia resahina toy ny hoe manapaka "azy" izy. DH: "raha manapaka ny fampanantenany izy" na "raha mamono ny fampanantenany izy" # tsy hijanona hanan-kery ireo Io dia fomba fiteny. Midika izany fa tsy izy intsony ireo voadiny ary tsy ho takiana mba hanatanteraka ireo izy. DH: "tsy voatery hanatanteraka izy" # Hamela azy Yaveh Io dia manondro ny famelan'i Yaveh azy tamin'ny tsy nanatanterahiny ireo voadiny. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "hamela azy tamin'ny tsy nanatanterahiny ireo voadiny i Yaveh" # voafatotr'ireo voady Io dia fomba fiteny. Ny hoe "voafatotry" ny voadiny dia midika fa nanao ireo izy ary mbola izy manan-kery ireo. DH: "raha mbola manao ireo voady ireo izy" # maimaika zavatra natao tsy am-piheverana # ireo fanerena ireo Ny teny hoe "fanerena" dia afaka ambara amin'ny matoanteny hoe "manery." DH: "ireo zavatra izay nanereny ny tenany"