# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka i Yaveh. # ny andron'ny voaloham-bokatra "ny andron'ny voaloham-bokatra, no andro." Io dia manondro ny andro mandritra ny Firavoravoan'ny Herinandro izay hanoloran'izy ireo ny fanatitra hohanina ho an'i Yaveh. # manao fiangonana masina mba hanomezana voninahitra an'i Yaveh "miara-miangona mba hanompo sy hanome voninahitra an'i Yaveh." Ny andianteny hoe "fiangonana masina" dia midika hoe miara-miangona mba hanompo an'i Yaveh ny olona. Ny fanompoana an'i Yaveh dia tranga masina. # mifangaro diloilo DH: "izay nafangaronao tamin'ny diloilo" # telo ampahafolon'ny efaha Ny "telo ampahafolo" dia midika hoe ampahany telo amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny famarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "enina litatra" na "telo ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny enina litatra)" # roa ampahafolony Ny teny hoe "efaha" dia tsy ao ary afaka ampiana. Ny "roa ampahafolo" dia midika hoe ampahany roa amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny mari-pamarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "efatra litatra sy tapany amin'ny koba tsara toto" na "roa ampahafolon'ny efaha amin'ny koba tsara toto (izay eo ho eo amin'ny 4.5 litatra)"