# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy ny voalohany amin'ny faminaniany efatra i Balama. # Mahita Azy aho, fa tsy eto Izy izao. Mijery Azy aho, fa tsy eto akaiky Izy Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Nahazo fahitana ny tranga hoavy i Balama. Ny teny hoe "izy" dia manondro ny mpitarik'Israely hoavy. # Hisy kintana hivoaka avy amin'i Jakoba Eto ny hoe "kintana'' dia manondro ny mpanjakan'Israelita izay hisandratra amin'ny hery. # hivoaka avy amin'i Jakoba Eto "Jakoba" dia manondro ireo taranak'i Jakoba. DH: "avy amin'ireo taranak'i Jakoba" # tehim-panjakana hisandratra avy amin'Israely Io dia midika zavatra mitovy amin'ilay tapany voalohan'ny fehezanteny teo ihany. Eto ny hoe "tehim-panjakana" dia manondro mpanjaka mahery iray. # avy amin'Israely Eto "Israely" dia manondro ireo Israelita hoavy. DH: "avy amin'ireo Israelita amin'ny hoavy" # Hanorotoro ny mpitarik'i Moaba Ireo mety ho heviny dia 1) hamotika ny lohan'ireo mpitarik'i Moaba izy na 2) handringana ireo mpitarik'i Moaba izy. # ny taranak'i Seta rehetra Io ihany koa dia manondro ireo Moabita, izay taranak'i Seta.