# Mosesy ihany ve no niresahan'i Yaveh? Moa tsy niresaka tamintsika koa ve Izy? Mampiasa ireo fanontaniana ireo i Miriama sy Arona mba hitarainana fa manam-pahefana maro i Mosesy fa izy ireo tsy mba nanana. Afaka ambara ho fehezanteny izany. DH: "Tsy niresaka tamin'i Mosesy irery ihany i Yaveh. Niresaka taminay ihany koa Izy." # Ary ren'i Yaveh Ny teny hoe "Ary" dia misarika ny saina amin'ny teboka manan-danja izay manaraka eo. # Ary...ilay lehilahy Mosesy Ny hoe "Ary" dia nampiasaina mba hanamarika fihatoana ao amin'ny vontoatin'ny fizotry ny tantara. Mitantara fampahalalana fototra momba ny toetran'i Mosesy ny mpanoratra.