# ny tenin'i Yaveh Ny andianteny hoe "tenin'i Yaveh" dia manambara izay nolazain'i Yaveh. DH: "izay nolazain'i Yaveh" # ny Fanahy sasany izay tao amin'i Mosesy Ny hoe "Fanahy" eto dia manambara ny hery izay nomen'ny Fanahin'Andriamanitra an'i Mosesy. DH: "ny hery sasany izay nomen'ny Fanahy an'i Mosesy" Jereo ny nandikanao io andianteny io ihany ao amin'ny 11:16. # nametraka izany teo amin'ireo loholona fitopolo Ny fanomezana hery amin'ireo loholona dia resahina toy ny hoe fametrahana ny Fanahy amin'izy ireo. DH: "nanome izany ho an'ireo loholona fitopolo" Jereo ny nandikanao io andianteny io ihany ao amin'ny 11:16. # Rehefa nitoetra tao amin'izy ireo ny Fanahy Ny fananana hery avy amin'ny Fanahy dia resahina toy ny hoe nitoetra tao amin'izy ireo ny Fanahy. DH: "Rehefa manana hery avy amin'ny Fanahy izy ireo"