# Raiso hoe mivadika ny vadin-dralehilahy ary manota amin'ny vadiny Io dia zavatra izay mety hitranga. Lazain'i Yaveh amin'i Mosesy izay hatao raha mitranga izany. # mivadika ny vadin-dralehilahy Midika io fa miala aminy izy ary tsy mahatoky aminy. DH: "ny vadin-dralehilahy dia tsy mahatoky" # manota amin'ny vadiny Midika izany fa tsy mahatoky amin'ny vadiny izy ary manota aminy amin'ny fandriana miaraka amin'ny lehilahy hafa. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "nanota tamin'ny vadiny tamin'ny nandriany niaraka tamin'ny lehilahy hafa"