# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Tamin'ny mitataovovonana dia rakotra haizina ny tany iray manontolo mandra-pahatongan'ny tamin'ny telo katroka rehefa nihiaka tamin'ny feo mafy Jesosy ary maty, ary nitriatra hatreny ambony ka hatrany ambany ny lamban'ny tempoly. # Tamin'ny ora faha-enina Tamin'ny 12 atoandro. # tonga teo amin'ny tany rehetra ny haizina Eto ny mpanoratra dia mamaritra fa niha-maizina ny tany ivelany tahaka ny hoe nisy onjan-dranomasina nanaloka ny tany. DH: "niha-maizina ny tany rehetra" # tamin'ny ora fahasivy Izany dia maneho ny amin'ny telo katroka amin'ny hariva. DH: "Tamin'ny telo hariva katroka" # Eloy, Eloy, lamà sabaktany Teny Aramaika ireo teny ireo izay tokony adika amin'ny fitenim-paritrao fa mitovitovy ny feo. # Ny sasany tamin'ireo izay nitsangana teo nandre ny teniny ka niteny hoe Afaka soratana mazava tsara fa tsy azon'izy ireo izay nolazain'i Jesosy. DH: "Rehefa nandre izany ny sasany tamin'ireo izay nitsangana teo, dia tsy nahafantatra ary niteny hoe: "