# nahita azy ireo natory Ny teny hoe: "izy ireo" dia maneho an'i Petera, Jakoba, ary Jaona. # fa navesatry ny torimaso ny mason'izy ireo Eto ny mpanoratra dia miresaka momba ny olona te-hatory ka tsy mahavita manajanona ny masony hisokatra toy ny hoe: "maso mavesatry ny torimaso" DH: " fa te-hatory izy ireo ka tsy nahavita nanajanona ny mason'izy ireo hisokatra" # Nanatona fanintelony Izy Jesosy nandeha ary nivavaka indray. Niverina fanintelony teo amin'izy ireo Izy. DH: "Ary nandeha Jesosy ka nivavaka indray. Niverina fanintelony Izy" # Mbola matory sy maka aina foana va ianareo? Jesosy nibedy an'ireo mpianany satria tsy niari-tory sy nivavaka izy ireo. Afaka atao toy ny fanontaniana tsy mila valiny izany. DH: "Mbola matory sy maka aina foana ve ianareo!" # Efa tonga ny fotoana Tonga ny fotoana hijalian'i Jesosy sy ny hamadihan'i Jodasy Azy. # Jereo "Henoy!" # Ny Zanak'Olona nivadihana Jesosy dia mampitandrina ireo mpianany fa efa akaiky azy ireo ilay mpamadika Azy. DH: "Izaho, Zanak'Olona, izay nivadihana"