# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ary niala tao Kapernaomy Jesosy sy ireo mpianany, Jesosy nampahatsiahy ireo Fariseo, toy ny mpianany, izay andrasan'Andriamanitra amin'ny fanambadiana sy fisaraham-panambadiana. # Niala teo amin'izany toerana izany Jesosy Nandeha niaraka tamin'i Jesosy ireo mpianany. Niala tao Kapernaomy izy ireo. DH: "Jesosy sy ireo mpianany dia niala tao Kapernaomy" # teny amin'ny faritra ambanin'ny Reniranon'i Jordana "teo am-pitan'i Reniranon'i Jordana" # dia nampianatra azy ireo indray Izy Ny teny hoe: "izy ireo" dia maneho an'ireo vahoaka. # araka ny fanaony "izay mahazatra Azy" na "ataony matetika" # Inona no nandidian'i Mosesy anareo Mosesy nanome ny lalàna ho an'ny razamben'izy ireo, izay tokony harahin'izy ireo ihany koa ankehitriny. DH: "Inona no nandidian'i Mosesy ny razambenareo momba izany" # taratasy fanamarinana fisaraham-bady Taratasy izay miteny fa ilay vehivavy dia tsy vadiny intsony.