# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Avy eo Jesosy niteny fanoharana an'ireo olona mba hanazava ny fanjakan'Andriamanitra, izay ho hazavainy amin'ireo mpianany any aoriana. # tahaka ny olona iray mamafy ny voany amin'ny tany Jesosy mampitaha ny fanjakan'Andriamanitra amin'ilay mpamboly mamafy ny voa. # Matory izy amin'ny alina ary mifoha amin'ny maraina "Mifoha izy amin'ny maraina ary matory izy amin'ny alina" # ny rantsany ny sampany # ny tahony ny lohan'ny sampana na taho izay mitazona ny voankazo # avy hatrany izy dia handefa fijinjana Eto ny hoe: "fijinjana" dia tsy ara-bakiteny izay midika hoe mpamboly na ireo olona izay alefan'ny mpamboly hijinja vokatra. DH: "avy hatrany izy dia handefa fijinjana hijinjana vokatra" na "avy hatrany izy dia handefa olona miaraka amin'ny fijinjana mba hijinja vokatra" # fijinjana "antsy bingo" na "antsim-bilona" hanapahana vokatra # fa efa tonga ny fotoam-pijinjana Eto ny fehezanteny "efa tonga" dia fomba fiteny hilazana ireo vokatra efa azo jinjaina. DH: "efa matoy ny voa ka efa azo jinjaina"