# hoy Izy tamin'izy ireo "Jesosy niteny tamin'ireo Fariseo" # Mbola tsy novakianareo angaha izay nataon'i Davida ... ireo izay niaraka taminy? Jesosy nametraka izany fanontaniana izany mba hampatsiahy an'ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo an'ilay zavatra nataon'i Davida tamin'ny Sabata. # Mbola tsy novakianareo angaha izay nataon'i Davida rehefa tao anatin'ny tsy fahampiana sy hanoanana izy_ izy sy ireo lehilahy niaraka taminy_ DH: "Tadidido izay novakianao momba izay nataon'i Davida rehefa tao anatin'ny tsy fahampiana sy hanoanana izy sy ireo lehilahy niaraka taminy" # novakiana izay nataon'i Davida Jesosy dia maneho izay novakiana momba an'i Davida ao amin'ny Testamenta Taloha. Afaka adika hoe: "vakio ao amin'ny soratra masina hoe inona no ... i Davida" # ahoana ny fomba nidirany tao an-tranon'Andriamanitra ... ireo izay niaraka taminy aza?" Afaka atao hoe hevitra misaraka amin'ny andininy faha-25 io. DH: "Nankao amin'ny tranon'Andriamanitra Izy ... amin'ireo izay niaraka taminy." # ahoana ny fomba nidirany Ny hoe: "-ny" dia maneho an'i Davida. # mofon'ny fanatrehana Maneho ny mofo roa ambin'ny folo izay mipetraka eo amin'ny latabatra volamena ao amin'ny tabernakely na tempoly natsangana ho sorona ho an'Andriamanitra nandritra ny fotoan'ny Testamenta Taloha izany.