# Izao no nitranga tamin’ireo andro ireo Manamarika ny fiatombohan’ny tranga vaovao amin’ny filaharan’ny tantara izany. # nataon’i Jaona batisa Izy “Jaona no nanao batisa Azy” # ny Fanahy nidina avy any an-danitra teo amboniny tahaka ny voromailala Ireo mety ho dikany 1) fampitahana izany, ary ny Fanahy nidina teo ambonin’i Jesosy tahaka ny vorona midina avy any an-danitra nankeo amin’ny tany na 2) ny Fanahy dia mitovy endrika ara-bakiteny amin’ny voromailala tahaka ny fidinany teo ambonin’i Jesosy. # Nisy feo avy any an-danitra Maneho an’Andriamanitra miteny izany. Indraindray ny olona dia tsy maneho mivantana an’Andriamanitra satria manaja Azy. “Andriamanitra miteny avy any an-danitra” # zanaka tiana Izany dia fiantsoana manan-danja ho an’i Jesosy. Ny Ray miantso an’i Jesosy hoe: “zanany tiany” nohon’ny fitiavany Azy tsy misy fetra.