# Ambeno amin'ny tsora-kazonao ny vahoakanao, dia ny ondry aman'osin'ny lovanao Mika dia mivavaka amin'Yaveh, mangataka aminy ny mba hiarovany ny vahoakan'Israely indray. Eto, ny "tsora-kazo" dia manondro ny fitarihan'Andriamanitra sy ny tari-dalany, tahaka ny mpiandry ondry mampiasa rantsan-kazo mba handroany sy hiarovanay ny ondriny. # Mitoetra irery any an'ala izy ireo Ny tian'i Mika holazaina dia ny hoe: monina any amin'ny tany tsy mamokatra ireo vahoaka ary mitoka-monina sy tsy mora amin'izy ireo ny mahazo ny zavatra izay ilainy. # Aoka izy ireo hiraoka any Basana sy Gileada Ireo faritra ireo dia fantatra amin'ny fahatsaràny amin'ny famokarana sakafo. Koa mangataka ny fanitarana ny tany araka izay tratra, izay lasan'ireo mpanafika taona maro lasa i Mika. # tahaka ny tamin'ny andro fahiny Mety ho manondro ny fotoana naha-mpanjaka an'i Solomona io. # haneho ...Aho Eto, ny "Aho" dia manondro an'i Yaveh.