# Tokony hihevitra ny olona ho tsy manan-tsiny ve Aho raha mampiasa mizàna mandainga izy Mampiasa io fanontaniana io i Yaveh mba hanamafisany fa mihevitra ireo olona izay mamitaka ny hafa mba hahazoany vola maro ho meloka Izy. DH: "Hihevitra ny olona iray ho meloka tokoa Aho raha mampiasa sy mandanja amin'ny mizàna tsy marina mba hamitahana ny hafa sy hahazoana vola bebe kokoa ho an'ny tenany izy. # Feno herisetra ny mpanan-karena "Ny mpanan-karena dia manararaotra ny mahantra" # efa nilaza lainga ireo mponina, ary mpamitaka ny lelany ao am-bavany Ireo fehezanteny ireo dia milaza zavatra mitovy ary ampiarahina mba ho fanamafisana. DH: "mpandainga avokoa ianareo rehetra." Io dia tokony hisy akony ara-tsaina ho an'ny mpamaky.