# Nefa ianao, ry Betlehema Efrata Yaveh dia miresaka ireo vahoakan'io tanàna io toy ny hoe manatrika mihaino eo izy ireo. # na dia kely indrindra eo amin'ireo fokon'i Joda aza ianao Io dia midika fa hanao zavatra lehibe amin'io tanàna kely tsy misy dikany io Andriamanitra. # hankeo Amiko Eto, ny "amiko" dia manondro an'i Yaveh. # izay hatramin'ireo fotoana fahiny ny fiandohany, ka haharitra mandrakizay. Io dia manondro ireo mpanapaka avy tamin'ny fianakavian'i Davida Mpanajaka hatramin'ny fahiny. Ny andian-teny "hatramin'ny fahiny" sy ny "haharitra mandrakizay" dia mitovy hevitra amin'ny ankapobeny ary manamafy ny faharetan'ny filaharan'io fianakaviana io. # Noho izany dia hahafoy azy ireo Andriamanitra "Noho izany dia handao ireo vahoakan'Israely Andriamanitra" # hatramin'ny fotoana hitrotroan'izay mihetsi-jaza zazakely Io dia manondro ny fotoana izay hahaterahan'ilay mpanapaka, fotoana voafetra. # ny tavela amin'ireo anadahiny "Ny tavela amin'ireo mpiray fiavina aminy." Ireo dia ireo Israelita an-tsesi-tany. Eto, ny "aminy" dia manondro ilay zaza izay ho mpanapaka.