# Izany rehetra izany dia noho ny fikomian'i Jakoba, ary noho ireo fahotan'ny taranak'Israely Ireo andian-teny ireo dia mitovy hevitra amin'ny ankapobeny ary manamafy fa Yaveh dia mihetsika nohon'ny fahotan'i fanjakana tavaratra sy fanjakana tandrefana. # Izany rehetra izany "Ho avy ny Tompo ka hitsara" # Inona no anton'ny fikomian'i Jakoba? Moa tsy i Samaria ve? Eto, "Jakoba" dia manondro ny fanjakana tavaratr'Israely. Mampiasa io fanontaniana i Mika mba hanamafisany fa ny vahoakan'i Samaria no antony hiavian'Andriamanitra hitsara ny fanjakan'Israely. # Inona no anton'ireo fitoerana avon'i Joda? Moa tsy i Jerosalema ve? Mika dia mampiasa io fanontaniana io mba hanamafisany fa ny vahoakan'i Jerosalema no antony hiavian'Andriamanitra hitsara ny fanjakan'i Joda.