# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Mamarana ilay fanoharana momba ireo mpanompo sy ireo talenta i Jesosy. # alaivo any aminy ny talenta Miresaka amin'ireo mpanompo hafa ilay tompo. # talenta Ny "talenta" iray dia mitentina karama roapolo taona. Aza mandika izany araka ny vola amin'izao fotoana izao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:14. # izay manana Midika izany fa ilay olona izay manana zavatra dia mampiasa izany am-pahendrena. DH: "izay mampiasa tsara izay hananany" # homena be kokoa Azo atao hoe DH: "Andriamanitra hanome azy bebe kokoa" na "hanome azy bebe kokoa Aho" # Fa ho an'ireo izay tsy manana na inona na inona kosa Midika izany fa ilay olona dia tena manana zavatra saingy tsy mampiasa izany am-pahendrena. DH: "izay rehetra tsy mapiasa tsara izay hananany" # ho esorina aminy Azo atao hoe "Andriamanitra hanaisotra aminy" na "ho esoriko aminy" # any ivelany ny mpanompo tsy mendrika, any no misy ny fitomaniana sy ny fikitroha- nify "any ivelany ao amin'ny maizina izay misy fitomaniana sy fikitroha-nify"