# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manohy milaza ilay fanoharana momba ireo mpanompo sy ireo talenta i Jesosy. # Ianao ry mpanompo ratsy sady malaina "Mpanompo ratsy fanahy sady tsy te hiasa ianao" # izaho dia mijinja eny amin'izay tsy namafazako sy manangom-bokatra eny amin'izay tsy namboleko Mitovy hevitra ihany ireo teny anakiroa ireo. Maneho mpamboly iray izay manangona vokatra izay tsy azy io. Nampiasa io sarin-teny io ilay mpanompo mba hiampangana ilay tompo ho mpandraharaha mafy fo. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 25:24. # nandray ny ahy Azo atao mazava tsara ny hevitra izay efa voaray eto. DH: "handray ny volako" # tombony Vola omen'ny tompon'andraikitra ao amin'ny banky nohon'ny fampiasany vetivety ny volan'ilay tompo.