# maniraka ... Aho "handefa ... Aho." Eto ny hoe "aho" dia manondro an'i Jesosy. # anody anareo ny rà marina rehetra izay nalatsaka teto an-tany Ny teny hoe "hanody anareo" dia fomba fiteny izay midika fahazoana famaizana. Ary ny "rà" dia ilazana ny ain'ny olona iray. Ny mandatsa-drà dia midika hoe mamono. DH: "Hanafay anareo nohon'ny famonoana ireo olo-marina Andriamanitra" # nanomboka tamin'ny ràn'i ... hatramin'ny ràn'i Ny teny hoe "rà" dia ilazana ny ain'ny olona iray. Eto io dia midika "fandatsahan-drà" na vono-olona. DH: "nanomboka tamin'ny famonoana an'i ... hatramin'ny famonoana an'i" # Abela ... Zakaria I Abela no niharan'ny famonoana voalohany indrindra, ary Zakaria no heverina fa farany vaovono. Ireo lehilahy anankiroa ireo no misolo-tena ireo olo-marina voavono. # Zakaria Tsy io Zakaria io ilay rain'i Jaona Mpanao Batisa. # izay novonoinareo Tsy milaza akory i Jesosy fa ireo olona izay iresahany no tena namono an'i Zakaria. Ny tiany ho lazaina dia ireo razamben'izy ireo no nanao izany. # Lazaiko marina aminareo "Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.