# Tsy fantatrareo Manondro ireo zanaka lahy anankiroa sy ny renin'izy ireo io. # Afaka ... ianareo Miresaka amin'ireo zanaka lahy anankiroa fotsiny i Jesosy. # hisotro ny kapoaka izay ho sotroiko va ianareo Io dia fomba fiteny izay midika heo miaina fahoriana. DH: "miana ny fijaliana izay hiainako" # Namaly izy ireo "Namaly ieo zanak'i Zebedio" na "Hoy i Jakoba sy Jaona hoe" # Hisotro ny kapoakako tokoa ianareo Io dia fomba fiteny izay midika hoe miaina fijaliana. DH: "Hijaly toy ny hijaliako tokoa ianareo" # an-tanako ankavanako ... ankaviako Ilazana ny fananana toerana, fahefana, ary fananan-kaja io. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 20:20. # an'ireo izay efa nomanin'ny Raiko Azo adika hoe DH: "nomanin'ny Raiko ireo toerana ireo, ary homeny ho an'ireo izay nofidiany ireo" # ny Raiko Fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra izay mampiseho ny fifandraisana misy eo amin'Andriamanitra sy Jesosy io. # nandre izany "nandre izay nangatahan'i Jakoba sy Jaona tamin'i Jesosy" # tezitra mafy tamin'ireo mpirahalahy roa Raha ilaina, dia azonao atao mazava kokoa hoe nahoana no tezitra ireo mpianatra folo. DH: "tezitra tamin'ireo mpirahalahy anankiroa izy ireo satria samy te hipetraka eo amin'ny toeram-boninahitra eo akaikin'i Jesosy avy ny tsirairay tamin'izy ireo"